Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Angataho

Angataho

Angataho

Angataho ny fanahiny

Fa omeny anao

Omeny anao

 

Ay ve ny Baiboly manambara ny fanahy

Ay va re ny fanahiny mety ho anao, mety ho ahy

Tsy nahalala aho, ay mbola misy fahagagana

Fa ny fanahiny dia hery sy fahazavana

Fa maro no mino nefa tsy manana ny fanahiny

Natakalo ny fomba, lasa mafy fo, be ahiahy

Ka ny marina, ny Baiboly indray no adino

Ka tsy miorina, tsy mafy nefa mba mino

 

Maro ireo fomba fanao

Nataon'ny olona tompon'ny toerana izao

Fa ny fanahy herin'ny finoana,

Atahorana ny fatorana

 

Raha ho avy ny andro hanoloranao tena

Hanarahanao ny Ray dia

Angataho ny fanahiny ho herinao, ho herinao

Fa matiantoka izay mino an'Andriamanitra 

Nefa tsy manana ny fanahiny

Fa ny fanahy sy ny talenta no hanampy anao

Hanampy anao

 

Angataho

Angataho

Angataho ny fanahiny

Fa omeny anao

Omeny anao


Mahatsara anareo ny fialako hoy Jesosy

Raha tsy hiala aho, tsy ho avy ny mpananatra 

Raha andeha ho any amin'ilay naniraka ahy aho

Dia ho irako izy ho aty aminareo, ho aty aminao

Fa raha tonga izy hampiaiky ny fahotana

Ampanao ny marina Izy, hampanaiky ny fitsarana

Ankalaza Izy, hanambara izay an'ny Ray

Hitari-dalana Izy, mandra-piavin'ny fiainana mandrakizay

 

Maro ireo fomba fanao

Nataon'ny olona tompon'ny toerana izao

Fa ny fanahy herin'ny finoana,

Atahorana ny fatorana

 

Raha ho avy ny andro hanoloranao tena

Hanarahanao ny Ray dia

Angataho ny fanahiny ho herinao, ho herinao

Fa matiantoka izay mino an'Andriamanitra 

Nefa tsy manana ny fanahiny

Fa ny fanahy sy ny talenta no hanampy anao

Hanampy anao

 

Angataho

Angataho

Angataho ny fanahiny

Fa omeny anao

Omeny anao

 




19/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres