Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Hijanona aho anio

Isan'andro aho

Mieritreritra, miasa saina 

Ny amin'ny ho aviko

Heveriko fa ny heriko

Ny heriko ihany

Dia ampy hahavita izany

 

Isan'andro aho

Be fanahiana

Fa efa impiry impiry moa

Tao anaty fijaliana

Ka ilay hery izay nitokiana

Tsy hita fa very

Resy aho ka nangina

 

Fa vizana aho, reraka aho

Tsy hitako intsony izay atao

Ka miantso Anao, mitalaho

Apetrako Aminao

Ny ziogako izao

Izay rehetra mavesatra rehetra rehetra

 

Eny, anio aho

Hijanona

Mandohalika eto imasonao

Hadinika ny fiainako

Tsy teo anilanao

Ka tsapako izany

 

Isan'andro aho

Nanolo-tena dia manitsaka

Tsy ho voahitsaka

Mankahala aho

Tsy te hahalala

Tsy manaiky ho ambany aho

Tsy mba diso izany aho

 

Isan'andro aho

Amin'ny fiteniko, mampahory

Nefa tsy rarahiko akory

Manenjika, mampitomany

Fantatro anie izany

Nefa mbola ataoko ihany

 

Fa vizana aho, reraka aho

Tsy hitako intsony izay atao

Ka miantso Anao, mitalaho

Apetrako Aminao

Ny ziogako izao

Izay rehetra mavesatra rehetra rehetra

 

Eny, anio aho

Hijanona

Mandohalika eto imasonao

Hadinika ny fiainako

Tsy teo anilanao

Ka tsapako izany

 

Anio aho

Hijanona

Hanokatra ny foko eto imasonao

Ho diovinao, ho raisinao

Ateraka indray

Hahita ny Ray



01/11/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres