Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Tsy maintsy

Fiv: Tsy maintsy ho ao an-tranon'ny Raiko aho

      Fa efa lasa tanteraka any, hoy aho, ny saiko e!

      Fa aloky ny ho avy ny ety an-tany

      Fa ny tena izy dia efa miandry antsika any an-danitra any

 

Izy tsy amidy fa omena

Maimaim-poana ny famonjena e!e!e!

Tsy ho lavo, tsy ho tafitoana ianao

Handeha ho any amparany any

Izay mijoro ihany no antsoina e

Handeha ho any an-danitra any

 

   (ah ah)

   Ny marina hisikinana

   (ah ah)

   Tena fahamarinana

   Tano ny sabatra roa lela

   Tano mafy fa aza avela

 

Mbola maro no antsoina ho ao am-bala

Mahalala nefa misalasala e!e!e!

Tsy hatory, tsy ho rendremana ianao

Hiambina ny  tanàna

Ho feno fandriam-pahalemana ianao

Hitondra fahazavana

 

   (ah ah)

   Ho sakaizan'ny mpino

   (ah ah)

   Ny finoana fihino

   Tano ny sabatra roa lela

   Tano mafy fa aza avela

 

 



18/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres