Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Vanintaona vaovao

Vanintaona vaovao fotoanan'ny hery

Andeha mba hitazana avy ery ampita e

Vanintaona ho anao, tsy handeha irery

Raha mety ianao handeha (x2) dia hiaraka isika

 

Mitsangana, vita ny andro fitomaniana

Anjaranao (x2) indray izao no hotahiana

Ndehana manao metimety, hitsena fifaliana

Raiso an-tànana ny hoavinao, andao fa anjaranao izao

 

Vanintaona vaovao, hosotra mahery

Fotoanan'ny Andriamanitsika e

Vanintaona ho anao, tsy handeha irery

Tolory tànana aho, tolory tànana aho: hiaraka isika

 

Tadiavo izay mitady tsy hiala maina

Izay mandondona (x2) ihany no vohaina e

Rombahy, heri-setra anie no avotana e

Izay mangataka dia omena 

Rombahy fa anjaranao izao

 

Vanintaona vaovao, hosotra mahery

Firoboroboana ho antsika

Vanintaona ho anao, tsy handeha irery

Tolory tànana aho, tolory tànana aho fa hiaraka isika

 

Fa tsisy tsy ho vitanao (x2)

Vitanao io (x2)

Raiso ny anjaranao

Raiso fa vitanao (io)

Tadiavo e

Rombahy e

 

Vanintaona vaovao, fotoanan'ny hery

Handeha mba hitazana avy ery ampita e

Vanintaona ho anao, tsy handeha irery

Raha mety ianao handeha (x2) dia hiaraka isika

 

Fa tsisy tsy ho vitanao (x2)

Vitanao io (x2)

Raiso ny anjaranao

Raiso fa vitanao (io)

Tadiavo e

Rombahy e

 

Vanintaona vaovao, hosotra mahery

Firoboroboana ho antsika

Vanintaona ho anao, tsy handeha irery

Tolory tànana aho, tolory tànana aho fa hiaraka isika

 

 



01/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres